Accéder au contenu principal

Kabarin-dRamatoa Lalao Ravalomanana Journée mondiale de la Femme 8 Mars 2010




Kabarin-dramatoa Lalao Ravalomanana

fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy

8 MARSA 2010

 

Ry Vehivavy Malagasy Mpiray Tanindrazana,

 

Ny voalohan-teny dia fisaorana an'Andriamanitra. Tsy diso anjara tamin'ny fanomezam-pahasoavan'ilay Nahary isika, ka tratr'izao vaninandro izao.

 

Amin'izao andron'ny 8 marsa 2010 fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Vehivavy malagasy rehetra tsy an-kanavaka eran'ny Nosy, nahatratra ity andro anio ity. "Ny tiana tsy mahalavi-tany" hoy ny fitenenana, ary "ny elanelan-tany manamafy ny herim-pitiavana", ka izany arahaba izany dia sady atolotra am-pitiavana noho ny firaisan-kinantsika samy vehivavy, ary ho mariky ny firaisan-kina sy ny Fihavanana amin'ny Vahaoka Malagasy iray manontolo.

 

Izany arahaba izany koa, dia ombanay firarian-tsoa sy fanandratana ny vehivavy aty an-tanindrazana, satria miharihary toy ny vay an-kandrina ny fahasahiranana mianjady amin'ny Vahoaka Malagasy, noho ny fotoan-tsarotra lalovan'ny Firenena ankehitriny. Ary amin'izany, na dia anisan'ireo tra-pahavoazana mafy indrindra aza isika vehivavy amin'izao fotoana izao, dia hita fa sahy mijoro mandray andraikitra amin'ny fomba maro samihafa, mba ahitàna vaha-olana araka ny tokony ho izy, satria ny Reny Malagasy dia tia ny menaky ny ainy, ka mitsinjo mandrakariva ny taranaka fara-mandimby.

 

Jery todika momba izay vitan'ny firenena tsirairay avy, tato anatin'ny 15 taona, momba ny fampandrosoana ny anjara-toeran'ny vehivavy, ho hery mpamokatra feno, mitovy amin'ny lehilahy, izany no loha-hevitra isarihan'ny FIRENENA MIKAMBANA ny sain'izao tontolo izao, amin'ny fankalazana ity Andron'ny 8 marsa 2010 ity . Mankalaza ny "Beijing + 15" tokoa mantsy isika, amin'ity taona ity, satria feno 15 taona ilay FIHAONAMBE IRAISAIM-PIRENENA MOMBA NY VEHIVAVY NATAO TANY BEIJING, tamin'ny volana septambra 1995, izay nametrahan'izao tontolo izao ny Soridalana sy Soritrasa, ary ny Praograman'asa maharitra tokony ho tanterahina, na ny "Programme d'Action de Beijing".

 

Raha ny momba antsika Vehivavy Malagasy manokana no asiana teny, dia hizara amintsika ny ato am-poko aho, ary hindrana ny Tenin'ny Soratra Masina:

 

" Mahareta amin'ny fivavahana" (KOLOSIANA 4:2), fa ny vavaka no manova zavatra.

 

Na eo aza ny fahasahiranana sy ny olana mianjady, dia tsy hanariana ny finoana izany. Ny finoana sy ny fanantenana no mampitraka antsika, satria Jeso tompo sy mpamonjy no niteny hoe:

 

" Antsoy aho, dia ho valiako ianao". (Jeremia 33:3)

 

Ny tantaran'ny firenentsika dia ahitana Vehivavy mendrika sy mahery fo, sahy nijoro tamin'ny finoany: ry RASALAMA, maritiora voalohany, teo amin'ny Fianakaviamben'ny mpino protestanta sy Victoire RASOAMANARIVO, teo amin'ny Fianakaviamben'ny mpino katolika.

 

Koa raha mankalaza ny Andron'ny 8 marsa isika androany, dia mahatsiaro ny Vehivavy toy ireny, izay mpialoha lalana antsika, nitolona sy nanokana ny fiainany manontolo, ary nahafoy ny ainy mihitsy hamonjena ny Firenena.

 

Raha mankalaza ny Andron'ny 8 marsa koa isika androany, dia maneho sady manamafy indray ny fahavononantsika hatrany, hiezaka sy hikiry manoloana ny herisetra sy ny velikibay, ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny zon'ny vehivavy, manoloana ireo olana sy sakatsakana, ary fanilikilihana, mivantana sy an-kolaka, mbola mihatra amintsika, ka tsy ahafahantsika mandray anjara feno eo amin'ny sehatry ny fitantanana sy ny fampandrosoana.

 

Ary raha mankalaza ny Andron'ny 8 marsa isika androany, dia sady maneho ny firaisankinantsika amin'ny vehivavy eran-tany no maneho amino, sy manao antso avo aminy, mba hanohana hatrany ny ezaka sy ny tolona ataon'ny vehivavy malagasy, indrindra amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny Firenena izao.

 

Noho ny zava-misy iainantsika, dia miharihary fa tena mpandimby marina ireo vehivavy modely teo aloha tokoa isika vehivavy malagasy ankehitriny."Tena vato namelan-kafatra sy kolokolo dimbin'ny vary, ary solofo dimbin'ny ala".

 

Koa dia mankahery antsika vehivavy rehetra aho amin'izany fahavononana sy fahasahiana mandray andraikitra izany, ka ny fijoroantsika eo anivon'ny Fokontany, ny Kaominina, ary ny Faritra misy antsika tsirairay avy, dia hampisongadina ny Firenena Malagasy.

 

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra!


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Madagascar : La dissolution du gouvernement ne suffit pas, la Gen Z continue la lutte

  Face à la pression populaire croissante, le président Andry Rajoelina a annoncé le 29 septembre la dissolution de son gouvernement. Cette décision intervient après des jours de manifestations qui ont fait au moins 22 morts et plus de 100 blessés selon les Nations Unies, un bilan que les autorités malgaches contestent sans toutefois fournir de chiffres officiels. Un bilan humain tragique Parmi les victimes de cette répression figurent deux bébés qui auraient été asphyxiés par les gaz lacrymogènes utilisés massivement par les forces de l'ordre. Les protestations, qui avaient commencé pacifiquement, ont rapidement dégénéré face à l'intervention disproportionnée des forces de sécurité. Selon l'ONU, les forces de l'ordre sont intervenues avec une force excessive, lançant des gaz lacrymogènes, battant et arrêtant des manifestants. Certains policiers auraient même utilisé des munitions réelles contre la foule. Ces arrestations, qualifiées d'arbitraires par plusieurs o...

Madagascar : Le Colonel Randrianirina Michaël investi président dans un contexte historique

  Un tournant politique majeur pour la Grande Île Ce vendredi 17 octobre 2025, Madagascar a inscrit une nouvelle page dans son histoire politique avec l'investiture du Colonel Michaël Randrianirina à la présidence de la République. À 51 ans, cet officier supérieur qui commandait le CAPSAT (Corps d'armée des personnels et des services administratifs et techniques) a prêté serment devant la Haute Cour constitutionnelle au Palais d'État d'Ambohidahy, à Antananarivo. Un soulèvement populaire décisif Cette transition politique trouve ses racines dans un mouvement de contestation débuté fin septembre 2025. Les manifestations, initialement déclenchées par les coupures récurrentes d'eau et d'électricité, ont rapidement évolué vers une contestation généralisée du pouvoir en place. Les jeunes malgaches, regroupés sous la bannière "Gen Z Madagascar", ont dénoncé la corruption endémique, le coût de la vie exorbitant et la pauvreté généralisée qui t...