Kabarin-dRamatoa Lalao Ravalomanana FETIN'NY RENY ALAHADY 29 MEY 2011 Amin'izao andron'ny 29 mey 2011 fankalazana ny Fetin'ny Reny eto amintsika izao dia raisiko ho fifaliana mitafotafo sady voninahitra lehibe ny miarahaba ny Reny malagasy rehetra tsy an-kanavaka nahatratra ity andro anio ity. Faly satria mbola samy velon'aina ary afaka mifampiarahaba na dia miaina ao anaty fahasahiranana lalina avokoa aza isika rehetra, na ny isam-batan'olona, na ny isa-tokantrano sy ny isam-pianakaviana, noho ny krizy mianjady amin'ny Firenena malagasy nandritra izay roa taona mahery izay. Am-panetretena no anolorako izany arahaba izany satria miharihary loatra ny herim-po asehon'ny reny sy ny vehivavy malagasy tsy an-kanavaka, na antitra na tanora, na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra, manerana ny faritra 22, miezaka hatrany mampandeha ny fiainana andavanandro sy ny fiainan-pirenena na dia iharan'ny mafy indrindra aza amin'izao krizy izao. Ao anatin...