NY ANDRAIKITR’I LAFRANTSA AMIN’NY KRIZY ETO MADAGASIKARA








NY ANDRAIKITR'I LAFRANTSA AMIN'NY KRIZY ETO MADAGASIKARA

 

« Lasa kanosa ny Olona raha mangina izy fa tsy midradradradra » (Abraham LINCOLN)

(Nadika avy amin'ny teny frantsay)

 

            Misaona ny aty fo amam-panahinay hatramin'ny 17 Mars 2009 no mankaty, andro nilatsahan'ny loza amin'antambo tamin'i Madagasikara, ka niteraka faharavana sady haingana no tsy azo ivalozana: faharavana eo amin'ny lafiny fitondran-tena, politika, fihariana, fiaraha-monina, kolontsaina. Tsy misy ahafantarana azy intsony ireo andrim-panjakana, ary ny demokrasia dia noviraviraina ka zary toy ny voro-damba rovitra maharikoriko. Taorian'ny 1947 dia miaina ny vanim-potoana maizina indrindra i Madagasikara ary tsy misy valaka amin'ny firenena voanjoin'ny hafa*, toa an'i Lafrantsa fahizay tamin'ny andron'ny fitondrana nazi (1939 – 1945).

            Sady mihoron-koditra izahay no misafoaka, satria izao vao nanala ny saron-tavany io Lafrantsa io ihany. Tsy menatra akory mantsy izy nanolotra ny "sori-dalany", izay ihamboany fa hahasolo ireo dina voasonia tany Maputo sy Addis Abeba, lazainy fa tsy azo ampiharina1. Mazava aminay izany izao ny antony nahatonga an'i Andry Rajoelina hivadika tamin'ny sonia nataony: tsy nahita tombontsoa tamin'ireo dina ireo ny Fanjakana frantsay, izay niafina tao an-damosiny.

            Mazava aminay tahaka ny masoandro be lohataona koa ankehitriny ny valin'ireto fanontaniana ireto: NAHOANA no mikatso ny toe-draharaha ary IZA no mampikatso azy? Satria ny Fanjakana frantsay dia manana any anaty kitapony any ny sori-dalany manokana, mifanaraka kokoa amin'ny tombontsoany sy amin'ny zava-kendreny.

            Tsy marina va izany ny voalazan'i Marc Ravalomanana nanondro ny Frantsay ho tao an-damosin'ireo mpanongam-panjakana raha niteny avy any Afrika Atsimo izy tamin'ny 27 mey 2009? Zara anefa raha nampahalala izany ireo haino aman-jery tamin'izany fotoana izany2. Fantatray ankehitriny fa Andriamatoa Filoha, izay azo antoka fa manana ny loharanom-baovaony manokana, dia tsy nirediredy na very saina raha nanao izany fanambarana izany.

            Ambonin'izany, dia indreto toe-javatra maromaro miara-manamarina ny fananan'ny Fanjakana frantsay andraikitra amin'ny fikatsoan'ny toe-draharaha ankehitriny:

a. Ny nahitana teo akaikin'i Andry Rajoelina mpanolo-tsaina frantsay dieny tamin'ny ora voalohandohan'ny fanonganam-panjakana;

b. Ny fihetsiketsehana sesilany nataon'ny solotenany eto an-toerana: fanolorana taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro, fanatrehana ny femetrahana "ny Tompom-pahefana vaovao eto Madagasikara", fihaonana tsy tapaka amin'io Tompom-pahefana io sy amin'ireo manam-pahefana hafa azo ampiasaina sy karamaina hiaro ny tombontsoan'i Lafrantsa,

d. Ny fandraisan'i Paris an'i Andry Rajoelina taorian'ilay tehamaina nomen'ny Fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana (Septambra 2009);

e. Ny fihaonany tamin'ny Olom-boafidy (UMP), Antokon'ny Filoha Sarkozy tany Frantsa, izay nankalazain'ny haino aman-jery fatratra;

f. Ny firodorodoana mahonena nataon'ireo iraky ny Quai d'Orsay (Ministeran'ny Raharaham-bahiny) tany an-toerana tamin'ny fanomanana ny dinan'i Maputo 2;

g. Ny famoahana tamin'ny fotoana nilana azy ilay "sori-dalana" natolotr'i Alain Joyandet ary avy dia neken'i Andry Rajoelina, naneho ny fahavononany hanao sonia azy tsy asiana adihevitra;

h. Ny tsy fitateran'ny gazety frantsay mihitsy ireo fihetsiketsehana ataon'ny Mpomba ny Ara-dalana sy ny Dinan'i Maputo/Addis Abeba saika isan'andro, toraka izany koa ny fisian'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana;

i. Ny fanginana mahazendana asehon'ireo Frantsay maro monina eto Madagasikara, mahita tsara ny zava-mitranga;

j. Ary, na dia ambinambin-javatra aza, ilay "Taratasy Misokatra" hafahafa nataon'ny Mompera Pedro3 (vao nomena mari-boninahitra frantsay "Legion d'Honneur") ary nalefany tamin'i Louis Michel, "Commissaire européen au développement et à l'aide humanitaire, ary ankehitriny Filoha Mpiara-mitantana ny "Assemblée paritaire ACP-UE".

 

            Mazava loatra fa tsy lisitra feno io, satria ny voatsiahy etsy ambony dia tsy misy afa-tsy ireo zavatra tena mibaribary, izay, raha mitambatambatra, dia midika ho fankatoavan'i Lafrantsa ny Fahefana misora-tena eto Madagasikara. Araka izany, ny Fanjakana frantsay dia tsy miala amin'ny paikady fampiasany any amin'ireo firenena afrikana toa an'i Côte d'Ivoire, Congo-Brazzaville, Mauritanie, Gabon, Guinée, Niger, ets…

            Misy zavatra toa tsy nampoiziny anefa, dia ny fientanana saika avy hatrany hanohitra ny fanonganam-panjakana, hitaky ny Ara-drariny sy ny Ara-dalàna. Nihamafy izany fientanana izany haramin'izay rehefa niditra an-tsehatra ny Fiarovana ny Fiandrianam-pirenena sy ny Fahaleovan-tena. Koa, na dia eo aza ny ady lavareny anagejan'ny "Fahefana misora-tena" ny vahoaka Malagasy, dia tsy hanome tanana ny Fanjakana frantsay mihitsy izy amin'izao amboletra ataony hametraka indray ny sainany "telo soratra" erý an-tendron'ny Lapan'i Manjakamiadana amin'izao taonjato faha XXI izao!

            Tena faran'izay mazava mantsy ankehitriny ny zava-kendren'ny manam-pahefana frantsay, dia izao : hijanona ho tany frantsay i Madagasikara ary izay ho Filoha vaovao (tadiaviny hampandaniana amin'ny fifidianana teren-ko masaka toa voalobo-jaza) dia ho "naman'i Frantsa".toy ireo Filoham-panjakana afrikana maro, tsy ankatoavina ary halan'ny vahoakany, satria voafidy tamin'ny fomba tsy mazava. Midika izany fa, amin'i Madagasikara manokana, dia mety daholo ho an'i Lafrantsa sy ny forongony izay fomba rehetra hisakanana ny fodian'i Marc Ravalomanana.

            Sahy milaza àry izahay izao fa raha tsy afaka nitsoaka tao Iavoloha ho any an-tsesitany izy tamin'ny Mars 2009, dia ny fatiny no ho noraisina tao. Tena ho nahafa-po olona maro izany, indrindra izay Fanjakana iray any izay. Ary ny fahafatesany, toy ny an'ny Kolonely Ratsimandrava, dia ho lasa mistery fanampiny, tsy ho azo nohazavaina na oviana na oviana. Na, raha tsy izany, dia ho noporofoin'ireo fahavalony fa "namono tena izy".

            Tamin'ny 2009, ny PNUD dia namoaka ny fandaharany ny firenena eran-tany4 araka ny fandrosoan'ny maha olona ao aminy avy tamin'ny 2007…. Laharana faha-145 ao anatin'ny 182 i Madagasikara, noho izany, tamin'ny 2007, dia anisan'ireo firenena nanana tondro fandrosoana salasalany eo amin'ny maha olona izy. Amin'ireo firenena 25 voasokajy ho farany (satria ambany ny tondro fandrosoan'ny maha olona ao aminy) dia zanatany frantsay taloha ny 11 amin'izy ireo. Tsy mino izahay fa kisendrasendra na ozona no nahatonga izany.

            Ekena fa manana andraikitra amin'izany ny mpitondra ireo firenena ireo sy ny vahoakany. Rehefa tomorina anefa dia ny tarazon'ny fanandevozona sy ny fanjanahan-tany, nampian'ny asa maloto sesilany nataon'ilay antsoina hoe: "FrançAfrique" no nahatonga ny kontinanta "mainty" ho mainty noho ny herisetra, ny fahantrana, ny halatra, ny kolikoly, ny fifidianana terena sy amboamboarina, ny fanangonam-panjakana, ny fandripahana ain'olona… ka ho lasa firenena an-dalam-pilentehana ankehitriny.

            Porofon'izany ilay kabary nataon'Andriamatoa Sarkozy tamin'ny 26 jolay 2007 tao amin'ny Oniversite Cheick Anta Diop any Sénégal. Manafintohina ilay kabary ka nahatonga ny avara-pianarana afrikana maro ho tezitra5. Sady mivantambantana ny teniny no misy hevitra mifonofono, sady manasohaso ny Afrikana no manaratsy azy, ka mampibaribary ny tsy fahalalany ny tantaran'i Afrika mainty sy ny vahoakany. Tsy nanaiky mihitsy ny fangatahan'ny Afrikana fifonana noho ny fanandevozana sy ny fanjanahan-tany izy, fa nanilika ankitsirano ny andraikitra rehetra tany amin'izy ireo, ary dia nanamaivana ny andraikitr'i Lafrantsa mpanjanan-tany taloha sy ankehitriny. Ny tena loza aza dia ity: nitaky an-kolaka tamin'i Afrika tsy mahay mankasitraka izy mba hangataka ny famelan-keloka avy amin'i Lafrantsa, ilay firenena mpanamboatra tetezana, lalana, sekoly, hôpitaly ho azy!

            Aoka anefa tsy hadika vilana ny teninay. Izahay dia nofanin'ny sekoly frantsay. Manaja ny vahoaka frantsay sy i Lafrantsa izahay, dia i Lafrantsa tanin'ny zon'olombelona, i Lafrantsa nisedra ny fijaliana sy ny fanitsakitsahana nandritra ny fitondran'ny Nazis, i Lafrantsa mitolona mba hampamirapiratra ny teniny sy ny kolontsainy manerana ny tany.

            Saingy dia toherinay ary melohinay amin'ny herinay rehetra ny politikan'ilay Lafrantsa anankiray, sady manao asa maizina no manani-bohitra, ka te hampanjaka ny tombontsoan'izy irery hoenti-manapotika ny tombontsoan'ny Hafa.

 

Adolphe E. RAKOTOMANGA

Maître de Conférences - Université d'Antananarivo

Filohan'ny Fikambanana « Force de l'Education et de la Recherche »

Minisitry ny Fampianarana Ambony taloha

 

 ___________________________

 

* Voanjoina : fiteny faha-panjaka, avy amin'ny teny hoe : voanjo, na miaramila miandry tany sy mitrandraka ny harena eo an-toerana. Noho izany, ny voanjoina dia midika hoe: ametrahana voanjo. Fanazavana avy amin'ny mpandika teny.

1 Ireo dina ireo anefa dia nankatoavina ary notohanan'ireo fikambanana iraisam-pirenena (Firenena Mikambana), irasian'ny kaontinanta (Firasiam-ben'i Eropa, Firaisam-ben'i Afrika), iraisan'ny Faritra (SADC)

2 Jereo Midi Madagasikara tamin'ny 27 Mey 2009, p.3.

3 Cf. Les Nouvelles tamin'ny 03 Avril 2009, p. 2 izay ahitana an'i Pr Pedrp nanoratra hoe « Mandry fahalemana ii Madagasikara na dia nisy aza ny fifandonana niseho etsy sy eroa ». Io lahatsoratra io dia miantehitra amin'ny filazan'ny Frantsay momba ny krizy sy ny nahatonga azy, ka nanilika ny andraikitra rehetra amin'i Marc Ravalomanana.

4 Jereo Rapport mondial sur le Développement Humain 2009 navoaky ny PNUD tamin'ny oktobra 2009.

5 Cf. L'Afrique répond à Sarkozy. Edition Philippe Rey, 2008. OEuvre Collective de 23 intellectuels Africains dont le Malgache Raharimanana.


Posts les plus consultés de ce blog