Pasteur RANAIVO RIVO ARSON, Martin Luther King Malagasy.






Pasteur RANAIVO RIVO ARSON, Martin Luther King Malagasy.

 

Misy itovizana ny tantaran'I Pasteur Martin Luther King, Pasteur notifirin'ny tsy matahotody tany Etats Unis tamin'ny 4 avril 1968 tao Memphis. Zanaka mpitandrina I Martin Luther King. Ny fiarovany ny marina sy ny zon' ireo amerikana mainty hoditra no namonoana azy. Tsy nitondra basy izy fa ny tenin'Andriamanitra no nentiny niady. Anisan'ny olona nahay nitory teny izy ary nahafinaritra ery ny nihaino azy. Hita fa olona nanana fitiavana I Martin Luther King. Nolaviny tanteraka ny herisetra hanaovana fitakina. Fa ny  fitakiana ao anatin'ny "NON Violence" hoy izy dia mahery lavitra nohon'ny herisetra eny fa na mampiasa hery aza ny andaniny. "Ny herin'andriamanitra hoy ny Baibloly dia tanaterahana amin'ny fahalemena".

Anisan'ny nampahalaza azy ilay toriteny miezinezina nataony teo amin'ny totohatry Lincoln Memorial nandritra ny diha ben'ny fahafahana nankany   Washington ny 28 août 1963. Io toriteny miezinezina io dia maneho mazava tsara ny faniriany fa indray andro any dia hiara-monina tsy misy rahoraho ary ao anatin'ny fitoviana ny amerikana rehetra na inona na inona volon-kodiny, na inona na inona firehany ary na inona na inona finoany. Ny lohatenin'io toriteny lehibe io  dia ilay hoe "I have a dream" izany hoe " Nofiko hono fa". Nambarany tamin'izany fa nofisiny fa tonga ny tena fahafahana, foana ny fanavakavahana, foana ny fanenjehana ny marina …. Naompany tamin'ny teny avy ao amin'ny soratra masina io toriteniny io. Ao ohatra ny Isaia 40 : 4-5, ny Amosa 5 : 24.

Tsy misy valaka amin'izany ny tantaran'I Pasteur RANAIVO RIVO ARISON. Zanaka Mpitandrina izy, ary maty notofirina toy izany koa ny 20 MAI 2010. Ny fiarovany ny fahamarinana izay takona tanteraka eto amin'ny firenena malagasy no antony namonoana azy.Tsy nitondra basy izy fa baiboly no nentiny. Ny fifankatiavana sy ny fifamelankeloka no ambetindresany. Ireo mpiaramiangona aminy dia nilazany matetika fa tsy hitondra an'I Madagasikara ho aiza ity famonoana sy fankahalana olona ity. Mbola ho avy ny maraina hoy izy fa tsy maintsy mbola hanjaka eto Madagasikara ny fifamelankeloka sy ny fifankatiavana mba hiadanan'ny Malagasy. Nolaviny tanteraka ny fampiasan-kery.  Tsy maintsy mijoro mba hanjakan'ny fahamarinana anefa ny mpino hoy izy. Eo amin'Andriamanitra dia iray ihany ny marina fa tsy betsaka. Ny fifamelankeloka, ny fihavanana sy ny fifankatiavana no any làlana hahafahantsika miala amin'izao krizy izao. Nampahery tokoa ny nihaino azy nitory teny. Hira maminy loatra ilay hira noforon'ny rainy hoe : "Tompo vonona aho,  na aiza na aiza no aleha. Faly aho fa voantsonao."Natao tamin'ny fandraisana ny zanany roa vavy ho mpandray ny fanasan'ny Tompo io hira io tamin'ny 15 mai 2010 ary natao ihany koa tamin'ny fanompoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra tamin'ny Alatsinainy 24 mai 2010 nohon'ny fodiamandriny.  Nino Pasteur RIVO fa ho tonga ny tena fahafahana eto Madagasikara.





Posts les plus consultés de ce blog