Accéder au contenu principal

HAFATR'I RAMATOA LALAO RAVALOMANANA 08 MARSA 2011



ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN'NY VEHIVAVY
08 MARSA 2011
HAFATR'i RAMATOA LALAO RAVALOMANANA


Endrika sariaka, fo feno fitiavana, fanahy misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva, amin'ny anaran'I Jeso Kristy Tompontsika, no iarahabako antsika vehivavy rehetra androany Talata 08 marsa, 2011.

Ny fankalazana ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ity taona 2011 ity, dia manana ny lanjany manokana, satria feno zato taona amin'ity taona diavintsika ity, ireo fihetsiketsehana voalohany nataon'ny Vehivavy eran-tany momba ny tokony ialàna amin'ny fanavakavahana sy ny fanaovana an-kilabao ny vehivavy amin'ny ankapobeny, indrindra eo amin'ny tontolon'ny asa.

Hanohy ny ezaka efa vita isika, satria ny Vehivavy Malagasy tsy miraviravy tanana ary tsy kivy. Mbola tia filaminana izy, ary mbola reharehany ny fifikirana amin'ny soatoaviny toy ny Fihavanana, ny Firaisan-kina ary ny Tsy misara-mianakavy.


Fantatro sy hitako fa ny vadiko, ny Filoha Marc Ravalomanana dia tsy mitandro hasasarana, ary tena vonona ny hody aty Madagasikara hitondra ny anjara-birikiny hanatsarana hatrany ny hoavin'ny mpiray tanindrazana. Hamerina ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Ary hanangana hoavy mendrika sy tena vanona, indrindra hoan'ny reny fototry ny Firenena, ny vehivavy rehetra, ary ny ankizy.
Ramatoa Lalao Ravalomanana
Ny lohahevitra momba ny fanatsarana ny asan'ny Vehivavy eran-tany, ho asa tsara sy mahavelona (travail décent), amin'ny alalan'ny fanabeazana (éducation) sy fiofanana (formation) ary fifehezana ny siansa sy ny teknolojia takian'ny asa sy ny fiainana amin'izao fe-potoana diavintsika izao, no isarihan'ny Firenena Mikambana ny hetsika rehetra ankalazàna ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, amin'ity Taona 2011 ity.

Raha tarafina amin'io lohahevitra mampifamatotra ny fanabeazana tokony omena ny vehivavy sy ny asa tsara sy mahavelona tokony ananany io, ny zava-misy iainan'ny vehivavy eto Madagasikara dia hita avy hatrany, fa tena latsaka an-katerena ny Firenena sy ny vehivavy ankehitriny, satria ny asa tsy misy, ary ny fanabeazana tsy zarizary.

Fantatra koa anefa, fa na eo aza izany ady mafy atrehiny izany, dia tsy mikely soroka na milavo lefona akory ny vehivavy malagasy, fa mbola mampiseho hatrany, ary amin'ny fomba maro samihafa, fa hery sy fanoitra mbola ianteheran'ny ankohonana sy ny Firenena hatrany izy.

Amin'ny maha vehivavy afrikana antsika dia manana adidy isika hanohana hatrany ny asa tsara atao sy vitan'ny lehilahy. Manana adidy koa isika hankasitraka ny ezaka mampitolagaga vitan'ireo vehivavy toa antsika. Manana adidy ihany koa isika hanararaotra izao fotoan-tsarotra izao mba hikatsaka izay mahasoa kokoa ny Tanidrazantsika.

Koa amin'izao Datin'ny 8 Marsa Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao ary, dia sady midera sy manandratra ny herim-po ananany izy ireo izahay, no mankahery azy ireo, eram-po eran-tsaina. Mahaleova mahalasana, ry reny sy rahavavy malala!

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra!

Office of the President Ravalomanana - 2011







Posts les plus consultés de ce blog

Madagascar : La génération Z se soulève contre les coupures d'électricité et d'eau

  Une vague de protestations sans précédent secoue actuellement Madagascar, portée par une jeunesse déterminée qui refuse la résignation face aux conditions de vie dégradées. Ce mouvement, baptisé "Gen Z", illustre la colère d'une génération qui exige des changements concrets dans un pays où trois quarts de la population vit sous le seuil de pauvreté. Des coupures qui exaspèrent le quotidien Au cœur de cette mobilisation se trouve une revendication simple mais vitale : l'accès constant à l'eau et à l'électricité. Les habitants d'Antananarivo, la capitale, subissent des coupures incessantes qui laissent souvent les foyers et entreprises sans électricité pendant plus de 12 heures d'affilée. Ces dysfonctionnements répétés paralysent l'économie locale et rendent la vie quotidienne particulièrement difficile. Pour une population où environ 75% des 30 millions d'habitants vivent dans la pauvreté selon les données de 2022, ces problèmes d'infra...

Madagascar : La dissolution du gouvernement ne suffit pas, la Gen Z continue la lutte

  Face à la pression populaire croissante, le président Andry Rajoelina a annoncé le 29 septembre la dissolution de son gouvernement. Cette décision intervient après des jours de manifestations qui ont fait au moins 22 morts et plus de 100 blessés selon les Nations Unies, un bilan que les autorités malgaches contestent sans toutefois fournir de chiffres officiels. Un bilan humain tragique Parmi les victimes de cette répression figurent deux bébés qui auraient été asphyxiés par les gaz lacrymogènes utilisés massivement par les forces de l'ordre. Les protestations, qui avaient commencé pacifiquement, ont rapidement dégénéré face à l'intervention disproportionnée des forces de sécurité. Selon l'ONU, les forces de l'ordre sont intervenues avec une force excessive, lançant des gaz lacrymogènes, battant et arrêtant des manifestants. Certains policiers auraient même utilisé des munitions réelles contre la foule. Ces arrestations, qualifiées d'arbitraires par plusieurs o...

Boeing, Iran, Madagascar : les faits, les questions, le contexte

  (Agence Ecofin) - Une affaire d’apparence administrative expose Madagascar à une controverse à portée internationale. Cinq avions de type Boeing 777, brièvement enregistrés auprès de l’Aviation civile malgache dans le cadre d’un convoyage technique, se retrouvent dans la flotte d’une compagnie iranienne soumise à des sanctions. L’Autorité de l’aviation civile du pays dénonce une fraude et se défend de toute complicité. L’enquête en cours soulève des interrogations sur la solidité des dispositifs de régulation, dans un contexte diplomatique déjà tendu entre Madagascar et les États-Unis. Lire l'article